Nahatsiaro manokana ireo ankizy hanomana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eny amin’ny CEG sy EPP ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny fikambanana Mitia Soa izay tarihan’ny filohany, Andrianasolo Nofinirina Tinasoa (Datina). Novatsiana fitaovam-pianarana feno sy ampy ho an’ny taom-pianarana mba hampirisihana azy ireo hanao ezaka mafy ho afaka amin’izany fanadinana hatrehiny izany ireto mpianatra ireto.
“Teo aloha, ireo mpianatra afa-panadinana hatrany no nomena fankasitrahana. Amin’ity indray mitoraka ity kosa, ireo hiatrika fanadinana no tohanana hanao ezaka”, hoy ny fikambanana.
Nankasitraka ny fanampiana ny ankizy zanaky ny sahirana ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny lehiben’ny Zap ao an-toerana.
Nomena tohana manokana ihany koa ireo reny sahirana ao amin’ny fokontany ao an-toerana.
Miantsehatra amin’ny asa sosialy hatrany ny fikambanana ary maro ny ezaka natao, toy ny fizarana zezika, fametahana jiro hanazava ny tanàna, fanaovana lavadrano amin’ireo toerana saro-drano….
Tatiana A




