Nametraka fitoriana any amin’ny polisy ny fianakavian’i Chaydi, ilay mpihira nodimandry ny talata teo, rehefa avy namonjy fankalazana tsingerin-taona nahaterahana teny Ampitatafika. Nampiahiahy ny fianakaviana ny fahafatesany ary heverina ho fanapoizinana niniana natao. Miandry ny fanadihadiana mahakasika io raharaha io izy ireo.
Nidona tamin’ny fefin-dalana iray akaikin’ny tobin’ny Tafika Malagasy etsy Anosy ny fiara fitateram-bahoaka iray, zotra 147, omaly atoandro tamin’ny 2 ora sy sasany. Tapaka hisatra tampoka teo am-pidinana amin’ny lalana mampitohy an’Ambohidahy sy ny OUA Anosy izy ka nifatratra tamin’io sakana io. Tsy nisy ny naratra sy maty. Nentina eny amin’ny biraon’ny CSP 5 Mahamasina ny mpamily miatrika fanadihadiana.
Tadiavin’ny zandary noho ny fiampangana ho anisan’ny jiolahy ny karana iray antsoina hoe: Maecha Mchinda Housseni. Nonina tao amin’ny lot IIIK 265 Manarintsoa Atsinanana Antananarivo I no nahitana azy farany. Tsy manana asa fototra izy, raha ny tatitra voaray hatrany. Omena valisoa 5 tapitrisa Ariary izay olona afaka manome vaovao ahafahana misambotra azy io.
Mitaky ny hanaovana “Evasan” azy ireo, ny tanora fito mianadahy mbola velona sy manaraka fitsaboana. Mahakasika ny tranga fanapoizinana niseho tetsy Ambohilamaza, ny 14 jona lasa teo, izy ireo. Tanjona ny hahafahana mitsabo ny aretina sy ny tsy hiverenan’ny aretina tampoka tahaka ireo tanora efa sitrana ka maty.




