TSELATRA

Lehilahy iray hita faty nisy namono tetsy akaikin’ny Ambasady Amerikanina ny sabotsy teo. Mpandalo no nahita ny vatana mangatsiaka nivalampatra tamin’ny tany ka nampandre ny tomponandraikitra. Nahitana dian’antsy roa ny vatany. Hita teo amin’ny kibony ny roa ary teo amin’ny tendany ny iray, toarian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy. Nentina nihazo ny tranom-paty HJRA Ampefiloha moa ny razana taorian’izay. Tsy fantatra kosa ny nahavanon-doza.

Nalefa eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy ireo jiolahy tompon’antoka amin’ny fanafihana mitam-piadiana eny amin’ny faritra Anosizato iny. Anisan’ny nanafika tokantrano teny Ankazotoho ny 19 jolay lasa teo izy ireo. Tratra tany amin’izy ireo ny finday roa tamin’ireo very nandritra ny fanafihana.

Lehilahy iray 31 taona voasambotry ny zandary Fenoarivo. Voarohirohy tamin’ny fanaparitahana vola sandoka 20 000 Ariary tamin’ny Cash point izy io. Tratra teny aminy ny vola 140 000 Ariary nampiasainy tamin’ny Cash point sy tsenakely. Hita tany an-tranony ihany koa ny vola sandoka mitentina 8 440 000 Ariary.

Lehilahy iray 23 taona, tratra nanolana ankizivavy kely 10 sy 11 taona tao Tompombohitra, kaominina ambanivohitra Miandrarivo. Nokarohin’ny zandary izy ary voasambotra sy notanana hatao famotorana avy hatrany. Anadahin-drenin’ireo zaza ihany ity nahavanon-doza ity. Marihina fa efa nisara-bady ny tenany ka antony nitarika izao loza feno habibiana izao.

Partager sur: