Famarinana olona: Miofana ireo misahana ny habakabaka

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly tamin’ny 09 ora, tao amin’ny fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny fampiofanana mitohy eo anivon’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (DRFC) Antanimora, ny fiofanana hiadiana amin’ny famarinana olona sy fanararaotana ara-nofo amin’ny ankizy. Nisitraka izany ireo mpiasan’ny Sampandraharaha misahana ny habakabaka sy ny sisintany izay miisa 20. Lehilahy ny 18 amin’izy ireo. Maharitra efatr’andro ny hetsika, hifarana ny 11 septambra 2025 ho avy izao.
Nisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy ny fikambanana iraisam-pirenena miady amin’ny heloka bevava nahafahana nanao izany. Tanjona ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara amin’ny lafiny famakafakana. Eo koa ny fikarohana heloka bevava mifandraika amin’ny fivarotan’olombelona sy fanararaotana ara-nofo atao amin’ny ankizy. Mizara traikefa sy fahaizana amin’izany ny mpampiofana avy amin’ny FBI (Federal Bureau of Investigation)

Mino

Partager sur: