Hodinihina ny hamoronana kaominina vaovao noho ny fiveralaran’ny fokontany, araka ny resaka nifanaovan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, sy ny depioten’Ifanadiana, Manantena Haja Dinah, omaly, tetsy Anosy. Voaresaka koa ireo kaominina maromaro tokony hahazo distrika ary hahazoana faritra aorian’izany.
Nitsikera ny minisitry ny Asa vaventy ny depiote Ratsiraka Roland. Nambarany fa na hovaina aza ny minisitra, tsy antenaina hisy fiovana. «Tsy fantatry ny fitondrana ny laharam-pahamehana. Tsy minisitra no olana. Potika ny RN 5, RN 7 nefa andaniana volabe ny «autoroute» 8 km Tsy itadiavana vahaolana ireo olana mahakasika ny vahoaka», hoy izy.
Hentitra ny depiote Rajerison Antoine fa ny fambolena sy ny fiompiana ihany no misy ny hery sy loharanon-karena tena maharitra. Hahafahana mamorona asa ho an’ny tanora sy ny tantsaha. « Fototry ny fampandrosoana maharitra sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ireo sehatra ireo. Tsy maintsy hatsangana sy tohanana ny tantsaha raha te handroso isika », hoy izy.
Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena Razafinjoelina Tahina. Nambarany fa tsy mitsahatra mitotongana ny vola malagasy. Mitombo ny delestazy. « Mba hajanony ity mahafinaritra ity fa mba jereo ny tena mahasoa. Tsy misy afa-tsy lalan-tokana no vahaolana: Famokarana ihany », hoy izy.




