Faritra Menabe: Zava-dehibe ny fiahiana ny maha olona

Nahazo ny anjarany nandritra ny fitsidihana nataon’ny Filoham-pirenena tany amin’ny faritra Menabe ny fampivoarana ny andavanandron’ny mponina. Ho fanamafisana ny vina fampandrosoana sy fiahiana ny maha olona, adraikitry ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, tarihan-dRamatoa Razafinjato Aurélie, tokantrano marefo, ahitana zokiolona, vehivavy mananotena sy olona manana fahasembanana ary voafonja miisa 5 200 no nisitraka Vary tsinjo sy fehezan-karona misy sakafo.
Natolotra ampahibemaso ihany koa ny tantsoroka ara-bola avy amin’ny fitondram-panjakana ho fanohanana ny tetikasan’ireo fikambanam-behivavy miisa 10 ao Morondava sy Mahabo ary Tsiribihina. Mitentina 29 010 0000 Ar izany tohana izany. Tanjona ny hanatsarana ny fidiram-bola ka hananan’izy ireo fizakan-tena maharitra ara-pivelomana ka hitondra fampandrosoana miainga eny ifotony rehefa tafarina.
Tafiditra ao anatin’ny vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny fitsinjovana ny maha olona ka manatanteraka izany isaky ny fitsidihana ataony ny fFloham-pirenena sy ny iraka miaraka aminy.

Tatiana A

Partager sur: