Fidiran’ny mpianatra : Mila ampitomboina ny fahamailoana

Ao anatin’ny fiverenan’ny mpianatra an-tsekoly isika izao. Fotoana maha betsaka ny fivezivezena indrindra ny ankizy sy tanora. Mila mampitombo fahamailoana eny an-dalana ary manome torohevitra amin’ny aro lozan’ny fifamovoizana ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety.
Ireo ray aman-dreny fa indrindra ireo mpanampy manatitra sy mpaka mpianatra dia tokony hitantana ny zaza hatrany eny an-dalana ary atao amin’ny sisiny ireo ankizy manalavitra ny fiara mifamezivezy.
Tsy maimaika rehefa miampita fa jerena tsara ny fiara, moto, bisikileta, sarety ary eny amin’ny toerana voatokana hiampita ihany no miampita.
Tsy tokony ho variana amin’ny filalaovana finday na fandrebirebena ataon’ny manodidina ny olona mitondra zaza sy ankizy fa malina tsara amin’ny fiambenana ny ankizy eny an-dalana.
Ireo mitondra mpianatra amin’ny kodiaran-droa dia tokony hanao aro loha ireny ankizy ireny ary fadiana ny mitondra azy rehefa rendreman’ny torimaso indrindra amin’ny tolakandro sy mirava avy mianatra iny fa tena mampidi-doza.

Tatiana A

Partager sur: