Nandray ny solontenan’ny Fonds malgache de formation professionnelle (FMFP) tarihin’ny tale jeneraliny, Andriambololona Pierre Raoelina, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-miasa, indrindra eo amin’ny fanofanana arakasa sy ny fananganana paikady vaovao hamaliana ny tinady mifanaraka amin’ny tsenan’ny asa. Notsipihina tamin’izany koa ny andraikitry ny FMFP sy ny minisitera amin’ny fanohanana ny fiofanana sy ny fanatsarana ny kalitaon’ny fahaiza-manaon’ny tanora.
Nidina ifotony teny amin’ny sampandraharaha misahana ny vatsim-pianarana any ivelany (SBEX), teny Ankadifotsy, ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tanjona ny hijerena akaiky ny fomba fahazoana vatsim-pianarana any ivelany sy hitondrana fanazavana momba izany amin’ireo ray aman-dreny sy mpianatra. Niresaka mivantana tamin’ireo tomponandraikitra rehetra ny minisitra entina hanatsarana ny fomba fiasa. Manomboka ny volana oktobra no mandray ny antontan-taratasy fangatahana vatsim-pianarana ny SBEX.




