Nidina ifotony nanara-maso ny fidiran’ny mpianatra amin’ny Lycée maromaro eto Analamanga ny tale misahana ny Fampianarana ambaratonga faharoa (DES) sy ny ekipany tamin’ity herinandro ity. Nojerena ny fandaminana ankapobeny sy ny famahana ny olana mety hisy. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra isan-tokony sy ireo mpianatra ary ny solontenan’ny ray aman-dreny ihany koa ny tale
Natomboka ny fanentanana isan-tokantrano amin’ny fanasarahana ny fako mora lo sy ny fako tsy mety lo ho an’ny eto Antananarivo Renovohitra. Fiaraha-mientan’ny MEAH, CUA, Jica sy ireo tanora skoto no hanatanterahana izany. Fokontany fitaratra ny ao Ambohitrakely. Napetraka eny an-toerana ireo dabam-pako mitokana. Beazina hanana fahazarana hanavaka fako koa ny mponina.
Raha hanao fangatahana vatsim-pianarana any ivelany, eny amin’ny Sbex, dia ilaina ny diplaoma certifié, ny relevée de notes certifié, ny bulletins de notes Seconde, première, terminale. Ankoatra ireo ny kopia amin’ny teny malagasy sy sary tapaka.




