Miova endrika ny tanànan’Antalaha : Mandray an-tanana ny fampivoarana izany ny JCA

Mifanome tanana ny tanora matihanina ao Antalaha, izay samy miantsehatra amin’ny maha izy azy avy ka nitondra fampivoarana ny tanàna. Mamirapiratra ny fahadiovana sy ny mari-pamantarana eny an’arabe taorian’ny fanavaozana.

Nitondra endrika fanatsarana ny tanànan’Anta­laha ireo tanora sangany ao an-toerana, na JCA. Na­miratra ny tanàna ary nohavaozina ireo taklelaby famantarana amin’ny fifamoivoizana eny an-dalana sy arabe rehetra. Miisa 100 no napetaka ta­min’izany. Teo koa ny mari-pa­mantarana misoratra amin’ ny arabe hanampy ny mpampiasa lalana. Natao amin’ny faritra maro, manomboko eo Ambatomitraka hatrany Belle Rose, ny fanatsarana.
Tarigetran’ny JCA ny ho hery mpitarika amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ary kolontsaina ao an-toerana. Maneho fanoloran-tena hampiroborobo ny ha­rena misy sy hitondra va-haolana maharitra amin’ireo fanamby ankehitriny ireo tanora vonona sy sahy hiantsehatra.
Manaporofo ny hetsika na­taon’ny JCA fa afaka manova tanteraka ny tontolo iainany ny tanora feno fanoloran-tena. Nandritra ny roa volana no ni­asa tsy nitsahatra izy ireo na­nome endrika vaovao ny afovoan-tanàna.
Tamin’ny alalan’ny hetsika “Nuit de la Vanille” no nanangonana ny hoenti-manana amin’ny fanavaozana. Teo koa ireo malala-tanana nifarimbona tamin’ny JCA.
Nomarihin’ny mpandrindra ny fikambanana, Nerapide Jaonary, fa tsy afaka miantehitra amin’ny fanjakana irery ny fampandrosoana ny tanàna na ny firenena fa andraikitry ny olom-pirenena tsirairay ka manatanteraka izany izy ireo.
Dingana voalohany ihany ity tetikasa ity fa tanjona ny hanohizana ny asa fanatsarana isan-taona. Satria mendrika ny hamirapiratra sy omena tontolo iainana mivoatra ny mponina ao Antalaha izay re-nivohitry ny lavanila maneran-tany.
Miantso ny fanjakana foibe ny fikambanana mba hamita ny tetikasa tena ilaina amin’ny fanokafana ny tanàna, toy ny seranam-piaramanidina ao Antalaha. Efa hita ny fahavitan’ny trano saingy mbola miandry ny fahavitan’ny pista izany.

Tatiana A

Partager sur: