Natao omaly, teny Ampandrianomby, ny fivorian’ny mpisehatra rehetra amin’ny famolavolana ny tetiandrom-pambolena 2025-2026. Tanjona ny hahafahana mamaritra ny dingana amin’ny famolavolana sy famoahana amin’ny fomba ofisialy izany.
Fitaovana hanampy ny tantsaha amin’ny fandaminana tsara ny asa fambolena ny fisian’izy io, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fivoaran’ny toetr’andro. Hitondra fanatsarana ny vokatra ary hampihena ny loza sy ny fatiantoka vokatry ny fiovan’ny toetr’andro izany.
Fiaraha-miasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana sy ny foibem-pirenena momba ny fikarohana ny famokarana izany ty tetikasa ity. Hampiharina amin’ny fampandrosoana eny ambanivohitra ny vokatra azo avy eo. Iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetry ny andro, amin’ny alalan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, ny famokarana izany, tohanan’ny tetikasa Prada/ GIZ.
Hivoaka amin’ny fomba ofisialy tsy ho ela, araka izany, ny tetiandrom-pambolena 2025-2026.
Tatiana A




