FAO sy ny minisitera MPEB : Hanohana ireo mpanjono madinika

Araka ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB), omaly, hiara-miasa amin’ny Sampandraharaha iraisam-pirenena misahana ny fambolena sy ny sakafo (FAO) izy ireo hanangana tetikasa hana­tsarana ny jono madinika eto Madagasikara. Fantatra fa ny 97% ny vokatra amin’ny jono eto amin’ny Nosy dia avy amin’ity sehatra ity avokoa, ka olona 1,5 tapitrisa no mivelona amin’izany, anisany ireo mpanjono miisa 150 000.
Noho izany, napetraka ho laharam-pahamehana ny fanohanana ny jono madinika, hahazoana vokatra betsaka sy maharitra ary hanatsarana ny fanjarian-tsakafo. Hotante­ra­hina eny anivon’ny faritra efatra ity tetikasa ity. Ani­san’izany ny any Atsimo An­drefana, Boeny, Androy ary Alaotra Mangoro.
Tanjon’ny fanapariahana azy ity ny hanamafisana ny fahaizan’ny mpanjono miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny hanatsarana ny fitaovana sy ny fomba fiasa ary ny hanome vokatra tsara kokoa ho an’ny mpanjifa. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny tetikasa, tany Toliara, ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Pau­bert. Natre­hin’ireo ma­nam-­pahaizana, mpiara-miom­bon’­ antoka ary ny minisitera isan-tokony. Fanamby lehibe hapetraka ny hanana jono maharitra, hiantohana ny fampandrosoana sy ny fiainam-baovao tsara kokoa ho an’ireo mpanjono sy ny fianakaviany.

Fitia Randria

Partager sur: