Fifamoivoizana an-tariby: Voatazona ny kalitaon’ny fitaterana

Lasa andavanandrom-piainan’ny mponina mipetraka eny Ivandry mamonjy asa sy fianarana eny Anosy ny fampiasana ny fitaterana an-tariby. Voatazona ny kalitaony raha ny tomban’ny tomponandraikitra.

Nanamafy ny filaminana sy ny fandrindrana ary ny fitazomana ny kalitaon’ny fitaterana teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Gérard Andri­amanohisoa. Tsikarika isan-kariva ny filaharam-be eny amin’ireo gara ho an’ireo olona mamonjy fodiana. Mpi­asa sy mpianatra ny ankamaroan’ ireo. Misongadina ny filaha­rana etsy Anosy, ary efa misy olona mampiasa isan’andro io fitaterana io mihitsy rehefa handeha hiasa sy hamonjy fodiana ny hariva.
Mampiova ny rotoroto amin’ ny fanenjehana fotoana ny fisian’ny teleferika, ho an’ireo olona mipetraka eny Ivandry manenjika birao fiasana na fianarana any Anosy. Teo aloha mandeha ora 2 vao ma­havita mamonjy asa noho ny fitohanana. Vita ao anatin’ny 15 mn anefa ny lalana Ivandry Anosy rehefa mandeha amin’ io fitaterana an-tariby io. Tsy misy fitohanana. Na misy aza ny filaharana dia vetivety ihany ny fihodin’ny famenoana ca­bine amin’ireo gara, toy ny eo Soarano, izay tsy maintsy miova cabine ny mpandeha raha hanohy ny dia.
Niova koa ny kaonty ara-bola ho an’ireo mahita ny tombony amin’ny fampiasana ny teleferika satria nitombo ny fan­daniana. 6 000 Ar isan’andro ny saran-dalana mandroso sy miverina, izay tena midan­gana sy tsy ao anatin’ny kajikajy mihitsy.
Mahavonjy ary tsy man­dany fotoana anefa ny fandehanana aminy ary miverina mametraka lamina vaovao amin’ny hazakazaka andavanandro mihitsy ny ankoho­nana iray misitraka feno ny fampiasana ny teleferika.
Ho avy ny fotoam-pahavaratra. Iaraha-mahalala ny fa­hasarotan’ny taxi-be izay mi­teraka fifanosehana sy fitohanana vantany vao mirotsaka ny orana. Mandritra ny fotoana fihavian’ny orana matetika no maha sarotra ny fakana taxi-be, izay indrindra no tena ilana ny teleferika. Manantena ny hitohizan’ny fampiasana ity fita­terana ity ireo efa zatra mampiasa azy.

Tatiana A

Partager sur: