Mahajanga : Olona 6 isan’andro no voaporofo fa voan’ny Sida

Nandritra ny fandraisan’ny governoran’ny faritra Boeny ny delegasionin’ny fahasalamana sy ny ONUSida no nahafantarana fa mirongatra ny aretina Sida ao Mahajanga. Olona 6 isan-kerinandro no fantatra fa mitondra io tsimokaretina io . Ao Mahajanga no misy ny taha ambony indrindra eto Mada­gasikara. Anisan’ny firenena tena be olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida ny eto Madagasikara sy any Indonesie.
Antony mahatonga ny fiakaran’ny trangan’aretina ny firongatry ny fivarotan-tena sy ny fiarahan’ireo mitovy faanahana ary ny firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina hatsindrona.
Manana ny paikadim-pirenena hanenana ny tahan’ny trangana Sida ny fanjakana malagasy ary anisany hampiha­rana izany i Boeny. Tafiditra ao anatin’ny site pilote i Maha­janga, izay manana CSB miisa roa misahana ny fitiliana sy ny fitsaboana ireo mararin’ny Sida.
Mirotsaka an-tsehatra amin’ny ady amin’ity areti-mandoza ity ny governoran’ny faritra Boeny, Andriantomanga Mokhtar. Maniry ny tenany mba hampidirina anaty fanabeazam-pire­nena mihitsy izany ady izany. Mila ampifanarahana amin’ny zava-misy iraisam-pirenena ny paikady.

Tatiana A

Partager sur: