TSELATRA

Lehilahy iray mpitaingina bisikileta naratra mafy voatsindrin’ny sarety feno lafarina tamin’ny gony, tetsy Anosizato Atsinanana, omaly tamin’ny valo ora sy 45 minitra maraina Nisisika handeha hitady lalana, nandritra ny fitohanan’ny fiara lavareny teny an-toerana, izy io no niharan-doza. Efa nentina nihazo ny hopitaly izy taorian’ny loza.

Voarakitra tao anatin’ny Camera de surveillance ny endrik’ireo telo lahy nangalatra finday tao anaty magazay iray etsy amin’ny Akoor Digue Andohatapenaka. Nampiresaka ny mpivarotra ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Maka moramora ny finday ary nanasitrika izany tany anaty kitapo kosa ny iray ambiny. Karohina fatratra izy ireo ary omena valisoa izay manome vaovao momba azy ireo.

Renim-pianakaviana iray nihoson-dra sy feno ratra tetsy Ambany Avaratra Ambohijafy, kaominina Fenoarivo, omaly. Nentin’ny zandary avy ao Ambohijafy nihazo ny CSB II Fenoarivo izy. Tsy vita teny anefa ny fitsaboana azy ka nalefa eny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Monina eny Anosizato izy io , raha ny fantatra.

Lehilahy iray, 23 taona, tratra nangarom-paosy sy nanao sinto-mahery tetsy Anosibe Tsena, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Nahatratra azy io ny polisy avy ao amin’ny CSP5 Mahamasina. Efa narahi-maso nandritra ny 30 minitra mahery io olon-dratsy io. Nikasa hangarona paosin’olona maromaro izy saingy tsy nahazo na inona na inona. Nentina eny amin’ny biraon’ny polisy izy hanokafana fanadihadiana.

Partager sur: