Havaozina ny sampandraharahan’ny fitsaboana zaza ao amin’ny Chupka Antsiranana. Manohana ara-bola mitentina 645 tapitrisa Ar hanatanterahana ny asa ny firenena japoney.
Vita tamin’ity herinandro ity ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny masoivoho japoney, i Abe Koji, sy ny talen’ny Chupka, i Sammy Thierr. Miompana amin’ny fanarenana ny sampandraharaha misahana ny fitsaboana ny zaza madinika ao amin’ny hopitaly ny fifanarahana.
Havaozina ny rihana faharoa amin’ny trano C. Tafiditra ao anatin’ny asa nomanina ny fanavaozana ny efitranon’ny hopitaly miisa sivy, ny efitrano dimy hafa ho an’ny mpitsabo. Eo koa ny efitrano fitsaboana sy ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ara-pahasalamana tena ilaina.
Tanjona ny hanome fitsaboana tsara kokoa ho an’ny zaza ary handray anjara amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana any amin’ny faritany Antsiranana.
Ny fahavitan’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa ho an’ny fitsaboana ireo zaza tsy salama ao amin’ny hopitaly, izay tohanan’i Japon, dia manome tontolo malalaka kokoa, madio ary azo antoka ho an’ny fiarovana ny ankizy sy ny mpiasan’ny fahasalamana.
Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa japoney miompana amin’ny fanampiana amin’ny endrika famatsiam-bola ho an’ny tetikasa madinika eto an-toerana (APL) izao fanohanana izao. Tao anatin’ny taona vitsivitsy izay, ny Chupka dia nahazo tombontsoa tamin’ny fanohanana maro tamin’ity programa ity. Anisan’izany ny fanavaozana ny toeram-pitsaboana vaovao, ny lalana ao anatin’ny faritry ny hopitaly, ary koa ny rihana voalohany amin’ny trano C natokana ho an’ny sampandraharaha misahana ny fiterahana. Ankoatra izay, nandritra ny fihaonambe iraisam-pirenena Ticad 9, natao ny 20 ka hatramin’ny 22 aogositra teo, tany Yokohama, nanamafy ny fahavononany ireo mpandray anjara hiady amin’ny aretina lehibe. Anisan’izany ny fanatsarana ny fahasalaman’ny taovam-pananahana, ny reny sy ny zaza, sns.
Tatiana A




