Fankalazana ny faha-20 taona: Mizotra mankany amin’ ny Arelec ny ORE

Nankalaza ny faha-20 taonany, tetsy Ankaditoho, Tsimba­zaza, ny Ofisy manara-maso ny fampiasana herinaratra, «Offi­ce de régulation de l’électricité (ORE)». Tafiditra ao anatin’ity fankalazana ity ihany koa ny fiovan’ny sata sy ny anarana ho lasa Autorité de régulation de l’électricité (Arelec), araka ny lalàna 2017-020, sy ny didim-panjakana nivoaka tamin’ny 6 aogositra lasa teo. Nandritra ny lanonana dia nasaina avokoa ny mpi­ara-miombon’antoka rehetra. Anisan’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo. Nankasitrahana manokana ireo mpiasa tao amin’ny ORE, teo aloha, sy izay efa tao hatramin’izay. Tsy hisy fiovana amin’ny mpiasa satria ireo efa niasa tao ihany no hanohy ary mbola hohatevenina izany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Raha mbola teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo ny ORE teo aloha, dia mahaleo tena tanteraka ny Arelec amin’izao. Afaka mandray fanapahan-kevitra malalaka, tsy miankina, ary miasa tsy an-tery. Araka ny fanazavan’i Lova Razafindrakoto, tale misahana ny lalàna eo anivon’ny ORE, izay hiova ho Arelec, hitohy ny asa fiarovana ny zon’ny mpanjifa sy ny fijerena ny tombontsoan’ny fanjakana sy ny mpandraharaha. Anisan’ny andraikitry ny Arelec ny fametrahana ny vidin’ny jiro sy ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny tolotra.

F.R

Partager sur: