Natao tamin’ity herinandro ity, tetsy amin’ny Kianja Mitafo Mahamasina, ny fihaonana teo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpisehatra amin’ny taxi-moto. Tanjona ny hampanarahan-dalàna sy hitondrana vahaolana amin’ny fifamoivoizana an-tanàn-dehibe. Nihaino ireo olana sy ny soso-kevitra nentin’ireo mpisehatra ny CUA. Hisy ny dingana manaraka hanohizana ny fanatsarana ny asan’ireo taxi-moto ireo.
Efa nambaran’ny Kaominina fa tafiditra ho fitateram-bahoaka ara-dalàna sy mahazo alalana ny taxi-moto. Manampy betsaka ny mponina amin’ny fivezivezena izy ireo ka tsy azo hodian-tsy hita.
Tanjona amin’ny fampanarahan-dalàna azy ireo ny hiarovana ireo manao izany asa izany sy hitsinjovana ny ain’ny mpanjifa, indrindra koa manoloana ny mety hisian’ny gaboraraka na tsy fifehezana ny asa.
Hanomanana toerana mazava sy voatokana ny taxi-moto mba tsy hanelingelina eny amin’ny arabe sy ny sisin-dalana. iaraha-midinika hatrany ny fomba hirosoana amin’ny fandaminana hampirindra ny asa fitateram-bahoaka.
Maro ireo olona efa tena zatra manjifa ny taxi-moto, indrindra ireo manenjika fotoana. Manampy amin’ny fialana amin’ny fitohanan’ny fiara ary haingana dia tonga amin’ny toerana haleha ny fanjifana azy itony.
Tatiana A




