INDRAY MIJERY

Tomponandraikitra ifotony avy amin’ny fokontany miisa 31, eo anivon’ny Boriborintany faha-VI, no nanatrika ny fanentanana momba ny famarinana olombelona tamin’ity herinandro ity. Nampahafantarina ireo endrika famarinana olombelona misy eto Madagasikara ireo olona sy sampandraharaha voakasika izany. Teo koa ny lalàna mifehy izany. Noresahina ihany koa ireo sazy mifandraika amin’ireo mpiray tsikombakomba.

Ho fanajana ny lalàna mifehy eto amin’ny Repo­blikan’i Madagasikara, nanatanteraka fanambaram-pananana ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Ran­driamanantany Zely, ny alakamisy teo, tao amin’ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), Ambohidahy. Milaza io làlana io fa mila manao izany ireo tomponandraikitra ambony isan-tsokajiny, ka isaky ny roa taona ny an’ireo minisitra.

CSB miisa 501 novatsiana herinaratra azo avy amin’ny masoandro ao anaty fanatanterahana ny tetikasa Lead miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena. Zava-dehibe ny fisiana herinaratra amin’ny toeram-pitsaboana. Laharam-pahamehana ireo CSB izay tena saro-dalana sy lavi-toerana. Afaka mampiasa hazavana tsy tapaka ireo mpitsabo. Hihatsatra kokoa ny fomba fitahirizana ny vaksiny sy fanafody. Azo antoka ny fahadiovan’ny fitaovam-pitsaboana.

Partager sur: