Oniversite miahy tena…: Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanomezana “habilitation”

Miroso amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony ny minisitera. Ho hentitra amin’ny fanaraha-maso ny fanomezana “habilitation” izy ireo manomboka izao. Hitsangana ny vaomieram-pirenena misahana izany, hampihatra ireo fepetra nasiam-panavaozana.

Mila mahatratra ny 75% ny naoty amin’ireo tombana vao afaka misokatra ny lalam-piofanana vaovao. Tsy hitsitsy amin’ny tandrevaka sy ny gaboraraka amin’ny tolotra amin’ireo la­lam-piofanana misokatra eny amin’ny Oniversite miahy tena sy ireo miankina amin’ny fanjakana ny minisiteran’ny Fa­mpianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ma­nom­boka izao.
Eo am-pamolavolana ny vaomieram-pirenena misahana ny “habilitation” (CNH) ny Mesupres amin’izao fotoana, araka ny fanazavana nentin’ny talen’ny accréditation sy ny fiantohana ny kalitao, Pr Ra­herinirina Angelo.
Io CNH io no rafitra manome alalana ny fisokafan’ny sampam-pianarana eny amin’ny ambaratonga ambony. Noha­­vaozina sy natsaraina ireo fitsipika sy fepetra entina manome alalana. Tanjona ny hahazoana antoka fa ny sampam-pianarana vaovao dia manome fianarana manan-kery, manaraka ny fenitra, ary manome fahafahana ho an’ny tanora malagasy.
Antoka lehibe amin’ny fa­natsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony izao fanavaozana izao, raha ny fanazavany hatrany.
Hentitra ny fanaraha-maso izany manomboka izao. Mia­loha ny hanatanterahana ny fanomezana izany, amin’ny CNH, hisy ny fidinana ifotony hitsidihan’ny avy ao amin’ny Mesupres any amin’ny foibem-pampianarana mangataka fankatoavana.
Jerena manokana, mandritra izany, ny isan’ny mpampianatra raikitra sy ny mari-pahaizan’izy ireo. Tsy tokony ho vacataires avokoa ireo mpampianatra, ary tokony ho ambony noho ny diplaoma kasaina havoaka ny diplaoman’ireo mpampianatra.


Tokony ho ampy sy mendrika ny mpianatra ny fotodrafitrasa. Mila manana laboratoara, jiro, sehatra niomerika, fahadiovana sy ny fandriampahalemana koa ny sekoly. Hifantohana koa ny tena ilana ilay sampam-piofanana vaovao sokafana, mifandraika amin’ny filan’ny toerana sy ny firenena.
Mila jerena sao lalam-piofanana efa misy eny amin’ny Oniversite na eny amin’ny manodidina ilay hosokafana ka tsy ilaina intsony ny hanokafana vaovao indray ary mila hamarinina tsara izany.
Mifanaraka amin’ny rafitra tokony ho izy ve ny tolotra? Ny fomba fampianarana ve mifanaraka amin’ny rafitra LMD? Voamarina tsara ve fa hitondra ny mpianatra amin’ny asa ny fampianarana omen’ilay oniversite? Hitondra fampandrosoana tokoa ve izany?
Jerena koa ny fanaovana tombana ny amin’ny fanadinana, mifanaraka amin’ny fahaizana mampianatra tokoa ve ilay mari-pahaizana ary ahoana ny paikady ampiasain’ny toerana mba hipetrahan’ny lentan’ny fanadinana sy ny diplaoma?
Tombanana ilay fahaiza-manaon’ny sekoly ambony ary tafiditra ao anatin’izany ny tahan’ny fahombiazan’ny se­koly. Mahomby ve ilay sekoly matoa manokatra vaovao any an-kafa? Ankoatra ireo, ny fijerena akaiky ny fitantanana raha manana politikam-pampandrosoana mazava tsara ary tafiditra amin’ny fampivelarana ny tolotry ny fiofanana. Mila manana rafitra miahy ny resaka kalitao ilay sekoly ary manana ny paikady amin’ny rafitra tsara tantana.
Hodinihina ihany koa ny fifanarahana eo amin’ny « domaine”, “mention”, “parcours ». Miisa zato ny fanombanana, ka ny ivontoerana mahazo 75% farafahakeliny no afaka mahazo fankatoavana. Antoka lehibe ho an’ny kalitaon’ny fampianarana ny fepetra entina manokatra ireo karazana tolotra ara-piofanana.
Mampihena ny gaboraraka amin’ny fananganana sekoly sy fanokafana lalam-piofanana vaovao tsy voahevitra ny fanatsarana ireo fepetra napetraka. Ny zanaka Malagasy no lasibatra amin’ny baranahiny sy ny kitoatoa ataon’ireo sekoly ambony sasany tsy mikatsaka afa-tsy ny fidiram-bola; ary manao ho ankilabao ny kalitaon’ny tolotra ara-piofanana.

Nanatontosa : Tatiana A

Partager sur: