Toetr’andro : Mananontanona ny rivodoza Blossom

Efa nahafeno fepetra ary nomena anarana Blossom ilay rivodoza ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Any amin’ny 1 600 km avaratra atsinanan’Antsiranana no misy ny ivony ary mahatratra 65km/ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 90km/ora.
Manohy ny diany miakandrefana somary avaratra andrefana amin’ny hafangainam-pandeha 8km/ora izy. Tsy mbola misy fiantraikany amin’ny toetry ny andro eto Madagasikara aloha ny fisiany, raha ny vinavinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby.
Ny varatraza antonony no handrafitra ny toetry ny andro ao anatin’ny roa andro, manerana ny Nosy, ary hisava tsikelikely izany rahampitso.
11°C hatramin’ny 25°C ny maripana ho an’ny afovoantany. Hisy hatrany ny zavona ny maraina ka mila mitandrina eny an-dalana. Tafakatra 34°C kosa ny maripana ambony indrindra any avaratry ny Nosy.
Mbola misy ny hatsiaka mamanala miampy rivotra indraindray eto afovoantany ka mila miaro tena hatrany, indrindra ireo ankizy madinika mandeha mianatra maraina.

Tatiana A

Partager sur: