Fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivodoza : Nisy fanofanana sy fakan-kevitra tao Vangaindrano

Nikarakara hetsika fanofanana sy fakan-kevitra tao Van­gaindrano, ny fiandohan’ny vo­lana teo, ary naharitra ha­dimiana, niaraka ny Birao na­sionaly misahana ny fitantana ny loza sy ny tandindon-doza sy ny mpiara-miombon’antoka WHH- Deutsche Welthunger­hilfe ary ny Unicef. Ho fanamafisana ny fahavononan’ny fiarahamonina amin’ny fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivo-doza ho avy sy ho fampidirana ireo lohahevitra miampita tahaka ny maha lahy sy ny maha vavy izany. Eo koa ny fiarovana sy ny fampiatiana, araka ny toromarika nasionaly eo amin’ny sehatry ny fi­tantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Tanjona ny ha­na­mafy ny fahaiza-manaon’ny kaomity kaominaly amin’ny fiomanana. Eo koa ny famolavolana drafitra ho fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza sy ny famintinana sy fanaovana jery todika ny vanim-po­toam-pahavaratra lasa. Ma­nam­py ireo ny fanangonana soso-kevitra avy amin’ireo tomponandraikitry ny kaominina efa nandalo fiofanana.
Nandray anjara tamin’izany ireo mpikambana ao amin’ ny CCGRC, lehiben’ny distrika sy lefitry ny distrika ary ny so­lon­tenan’ireo kaominina avy amin’ ny distrikan’i Midongy sy Befo­taka ary Vangaindrano, ny Pre­fet an’i Farafangana sy ny sekre­tera jeneralin’ny prefektiora.
Nahafahana nanatsara ny fandrindrana eo anivon’ny faritra ho fanamafisana ny fahafaha-miarina sy ny fahaizan’ny fia­ra­hamonina miatrika loza ny fa­ha­vitrihan’ireo mpandray anjara.

Vonjy

Partager sur: