INDRAY MIJERY

Tombanana hihamafy ny fisehoan’ny tsy fanjairan-tsakafo mahery vaika ho an’ny faritra Atsimo sy ao Ikongo, eo anelanelan’ny volana mey lasa teo ka hatramin’ny volana avrily 2026. Amin’izao fotoana izao, ma­hatratra 558 000 ireo zaza latsaky ny 5 taona efa tratran’izany na koa ahina ho voan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Vovonana Hina teo amin’ny pejiny.

Fandinihana ny fiantraikan’ny fiarahamonina amin’ny toetran’ny olombelona tsirairay no votoatin’ny fampianarana amin’ny sampam-pampianarana Psy­cho­logie sociale et interculturelle. Misahana ny fahasalaman’ny saina koa izy amin’ny lafiny iray. Tsapan’ireo mpianatra fa tsy mahazo vahana ny fampiroboroboana ny fahasalaman’ny saina eto amintsika satria maro no tsy mahafantatra ny maha zava-dehibe azy fa variana miaina, mitady vola sy miala voly…

Isan-taona, olona 11 amin’ny 100 000 no maty vokatry ny famonoan-tena aty Afrika, izay taha ambony indrindra maneran-tany, araka ny tatitry ny Sampan­dra­harahan’ny Firenana mikambana momba ny fahasalamana aty Afrika. Fotoana tokony hijerena manokana ity tranga ity izao sy hanovana ny toe-tsaina manoloana ny famonoan-tena ho an’ny faritr’i Afrika.

Partager sur: