INDRAY MIJERY

Hisy fikorontanana ny habaka ato anatin’ny telo andro manaraka raha ny vinan’ny mpamantatra ny toetry ny andro. Hisy orana tandrifindrahona amin’ny ilany andrefana sy atsimon’ny Nosy. Hisy fiakarana ny maripana ambony rahampitso, saika manerana ny Nosy.

Efa misy ireo voasambotra tamin’ireo mpisoloky ho avy amin’ny Fid. Mpisoloky ireo manao fitakiana vola na manao fampanantenana volabe amin’ny resaka Tosika fameno ka enjehin’ny lalàna manan-kery. Mitohy hatrany ny fanadihadiana ary mila mailo ny rehetra manoloana izany.

Migaina ny andro, ary betsaka ireo tsy mahazaka ny fivadihan’ny toetr’andro tampoka, indrindra ny zaza sy ny marefo. Misotro rano betsaka, mihinana legioma sy voankazo, ahena ny fihinanana menaka sy lafarinina ary siramamy mba hampahazo aina sy haha maivamaivana ny vatana.

Partager sur: