Nisafidy ny tetikasa “Fun Day”, maneho ny lohahevitra “Ny fahaketrahana mizotra mankany amin’ny fahafahana mifehy ny olana ary miatrika aorian’ny sedra na donam-piainana”, ny mpianatra L3 ao amin’ny sampam-pampianarana Psychologie sociale et interculturelle anivon’ny Oniversiten’Antananarivo. Andro ahafahana miala voly, maka traikefa ary mahita zava-baovao izany. Natokana ho an’ny mpianatra eny amin’ny oniversite ny tetikasa. Satria misedra tsindry maro kazarana izy ireo amin’ny fianarana sy ny fiainana maha mpianatra azy. Mety hamparefo ny fahatanjahan’ny saina izany, ka hitarika olana amin’ny fizotry ny fianarany, amin’ny ankapobeny, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny fikambanan’ny mpianatra sady iray ao anatin’ny vondrona namolavola ny tetikasa, Rajaonarison Andriantsoa Tanteliniaina.
Miara-miasa amin’ny fikambanan’ny mpianatra ao amin’ny Psychologie sociale et interculturelle, Aepsi, ny vondrona amin’ny fanatanterahana azy ity, ny 25 septambra ho avy izao, eny Faravohitra. Maro ny hetsika miandry ny mpianatra vonona ny hanatrika ny “Fun Day”. Tafiditra ao ny fanehoana malalaka ny fihetseham-po amin’ny soratra, ny fijerena horonantsarimihetsika mivoy ny fahaiza-miatrika aorian’ny dona na voina.
Vonjy




