Sahirana ny mpamokatra: Mitotongana ny vidin’ny lavanila

Miovaova be ny vidin’ny lavanila masaka eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Miantraika any amin’ny lavanila maitso miainga any amin’ny tantsaha iza­ny, izay tafidina amin’ny vidiny ambany in­drindra, ankehitriny.

Firenena voalohany ma­neran-tany mpamokatra lavanila i Madagasikara. Miantoka ny 80%. Mito­tongana tanteraka ny vidiny amin’izao fotoana izao, miainga any amin’ny tantsaha mpamokatra. Tafidina ho 2 500 Ar ny kilaon’ny lavanila maitso any amin’ny faritra Sava, toerana tena mpamokatra azy. Anisan’ny antony ny tsy fahampian’ny fanentanana eo amin’ny fanondranana any ivelany, tsy fantatra ny tena isan’ny mpandraharaha mpanondrana, mahatonga ny fahavitsian’ny mpanangom-bokatra any amin’ny tantsaha.
Manodidina ny 4 400 t ny lavanila naondran’i Madaga­sikara tamin’ny taona 2024. Tafahoatra be io fatra io raha toa ka manodidina ny 2 500 t ny filàna maneran-tany. Voa­lohany mpamokatra lavanila i Madagasikara. Anisan’ny firenena mpamokatra koa i Tahiti sy Indonezia, La Réunion, Bre­zila, sns.

Nirohotra namboly
Saropady ity seha-pihariana ity, satria miovaova be ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Eto amintsika, teo anelanelan’ny taona 2015 sy ny 2017 no tena nidangana ny vidiny, satria kely ny vokatra, noho ny rivodoza nanimba ny voly. Nitohy niakatra ny vidiny nandritra ny tranga Covid-19, tamin’ny taona 2021, satria tsy ampy ny tolotra teo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Nirohotra namboly daholo ny tantsaha taty aoriana, sady niitatra koa ny faritra mpamokatra. Ankoatra ny any Sava, faharoa amin’ny fambolena lavanila koa ny faritra Sofia. Mamokatra koa ny any Analanjirofo sy Ambatosoa ary ny tapany atsimo atsinanan’i Madagasikara.
Nitobaka ny vokatra ny taona 2024, nitohy ny taona 2025, saingy izao mitotongana izao ny vidiny, satria vitsy ny mpanangom-bokatra. Eto Madagasikara, latsaky ny 1 000 t ny lavanila naondrana tany ivelany. Mbola betsaka anefa ny tahiry tamin’ny taona 2024, mahatonga izao fahavitsian’ny mpanangom-bokatra izao.


Tafakatra 2 500 euros/kg any Brezila
Manodidina ny 45 000 Ariary na 9 euros (1 euro = 5 000 Ar) ny vidin’ny lavanila masaka eto Madagasikara, mialoha ny hanondranana azy any ivelany. Eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, manodidina ny 100 hatramin’ny 2 500 euros ny kilaon’ny lavanila masaka. Miovaova be io vidiny io, arakaraka ny vanim-potoana, sy ny kalitaon’ny lavanila. Ny volana avrily no tena tsara vidy ny lavanila. Raha ny fanadihadiana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, betsaka ny tolotra ny taona 2024 sy ny 2025, saingy kely ny filàna. Mihena hatrany amin’ny antsasa-bidy (50%) ny vidiny tamin’ny faran’ny taona 2024 teo.

Eo amin’ny karazana sy ny kalitao, hamidy 30 euros ny kilaon’ny lavanila mena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, indrindra any Eoropa. Mahatratra 100 euros/kg izany raha ny lavanila « gourmet », mihoatra ny 14 sm ny halavany, ary 60 euros/kg raha latsaky ny 13 sm. Lafo indrindra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena kosa ny lavanila avy any Brezila, tafakatra 2 500 eu­ros/kg. Mahatratra 1 125 eu­ros/kg kosa ny lavanila avy atsy La Réunion. Manodidina ny 500 euros hatramin’ny 600 euros ny kilaon’ny avy any Tahiti.

« Lavanila synthétique »
Maromaro ny endriky ny lavanila. Tena be mpampiasa (ny 82%) ny lavanila masaka voajanahary. Ampiasaina hatao hanitra ho an’ny sakafo. Eo koa ny manodina azy ho lasa ilomenaka, ampiasaina amin’ny nahandro. Misy koa lavanila hamainina, totoina ho lasa vovony, ka azo tahirizina maharitra.

Ampiasaina any amin’ny indostria ara-tsakafo ny 59% ny lavanila maneran-tany. Hita any amin’ny sakafo, toy ny laglasy, ny sôkôlà, ny karazana mofo. Eo koa ny fampiasana azy amin’ny fijojakojana ny tarehy sy ny vatana, ny ranomanitra, sns. Ampiasana ny lavanila koa ny fanafody sy ny fikarakarana ny vatana, sns.

Amin’ny ankapobeny, tsy mitsaha-mitombo ny filana lavanila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Saingy, misy ny vokatra vaovao tsy voajanahary, antsoina hoe « va­nille synthétique », izany hoe, nalaina avy amin’ny lanavila voajanahary ihany, saingy ampiasana fomba simika. Mora kokoa anefa ny vidiny, ka izay no tena sakana ho an’ny vokatra lanavila voajanahary.

Nanatontosa :
Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: