May kilan’ny afo ny trano an-jatony any Anosinakoho, kaominina ambonivohitra Mananjary, omaaly tamin’ny 4 ora sy 20 min hariva. Niara-nientana mamono ny afo ny mponina satria tsy misy sampana mpamonjy voina any an-toerana. Vokany, lasa lavenona avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Manao antso avo mba hisian’ ny mpamonjy voina any an-toerana ny Député Haja.
Nafindra eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny
9 septambra lasa teo, i Fenohasina, tompon’ny tsingerin-taona nahafatesan’olona 35 isa, ny 14 jona lasa teo. Navoaka tao amin’ny fonjan’i Manjakandriana izy ary nafindra eny an-toerana. Milaza fa marary foana ny tenany ka antony namindrana azy eny. Nalefa vonjmaika am-ponja izy sy ny reniny, ny alin’ny 30 jolay lasa teo.
Zazavavikely miisa telo, enina sy fito taona naolan’ny tovolahy miisa telo, tany amin’ny Pylône Mendrikolovana, kaominina Alasora, ny alatsinainy 8 septambra lasa teo. Nomen’ireo nahavanon-doza 100 Ariary avy izy telo mirahavavy. Mbola noferana tsy hilaza amin’olona ny zava-nanjo azy ihany koa. Nentina teny amn’ny Centre Vonjy ireo zaza ary voasambotra ireo telolahy. Miandraikitra ny raharaha ny avy amin’ny Brigade Alasora.
Lavon’ny balan’ny zandary tany amin’ny kaominina Anjoma-Ramartina, distrikan’i Mandoto, ny lehilahy iray antsoina hoe: i Koto. Nifanenjehan’ny mpitandro filaminana izy afakomaly tamin’ny 2 ora maraina ka lavo. Nikasa hangalatra omby teny amin’ny manodidina izy ka tsikaritry ny mponina. Anisan’ny manome vaovao ho an’ny dahalo, mahakasika ireo omby hangalarina ity lehilahy ity.




