Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly, fantatra izao fa nisy fandaniam-bola tsy ara-dalàna tao amin’ny hopitaly « Centre hospitalier de références de district (CHRD II) » Itaosy.
Araka ny tatitra navoakan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco), omaly, tao anatin’ny tambajotran-tserasera, vola mitentina 183 092 109,71 Ariary no fantatra fa voahodina sy nanaovana hosoka goavana tao amin’ny Hopitaly CHRD II Itaosy. Olona miisa telo no naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora.
Araka ny fanazavana voaray, mpivady mpitantana izay nisolo tena ny fikambanana Misandratra Hasina, nomena andraikitra hitantana ny fivarotam-panafody anivon’ny hopitaly, ny roa. Ny iray kosa dia ilay mpanao fitsirihana. Ankoatra izay, misy olona telo hafa, mpanao fitsirihana ihany koa, napetraka eo ambany fanaraha-mason’ny fitsarana.
Raha tsiahivina, niainga tamin’ny fitarainana nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamana izany raharaha izany, taorian’ny fitsirihana nataon’ny sampandraharaha DRSP Analamanga sy ny Cellule d’audit interne (CAI), ny taona 2024. Nahitana tsy fetezana lehibe teo amin’ny fitantanam-bola.
Tsy tao anaty kaonty ofisialy
Raha ny tatitra nataon’ny Bianco, tsy nampidirina tao amin’ny kaonty ofisialin’ny CHRD ny vola azo avy amin’ny fivarotana fanafody, fa natsofoka tamin’ny kaonty manokana “mobile money” an’ireo mpivady mpitantana. Mba hanakonana ireo tsy fetezana ireo dia nanao hosoka tamin’ny taratasina banky izy ireo, nanao fialantsiny sandoka hoe nisy vola very, ary mbola nividy ny ekipan’ny mpanao “audit” voalohany ihany koa.
Ireo olona ireo moa dia ampangaina amin’ny kolikoly, hosoka amin’ny taratasy, fandaniam-bola tsy ara-dalàna, fanararaotam-pahefana, ary fanasana vola maloto. Ity raharaha ity dia mampiseho mazava tsara fa ilaina ny fanamafisana ny rafitra fanaraha-maso anatiny eny anivon’ireny rafitra ara-pahasalamana ireny.
Fitia Randria




