Maintimolaly Musea: 15 mianadahy nahavita fiofanana

Efa manomboka ny fandaharanasa tantsoroka vaovaon’ny Education USA Madagascar amin’io volana oktobra io. Sehatra hizaran’ireo maintimolaly ao amin’ny Musea sy USGA traikefa sy torolàlana ho an’ny tanora maniry ny hanohy fianarana any Etazonia izy ity.
Izy ireo miaraka amin’ny fikambanan’ny Malagasy mpianatra nandrato fianarana ambony tany Etazonia U.S. Gra­duate Association (USGA)no hiara-hisalahy hizara traikefa ho an’ny tanora malagasy.
Tanora malagasy vao niverina avy nanaraka fiofanana sy nandrato fianarana ambony tany Etazonia no hanatevin-daharana ny fikambanan’ireo maintimolalin’ny programa fifanakalozana an’ny governemanta amerikanina na ny Musea (Malagasy U.S. Exchange Alumni).
Miisa 15 izy ireo no nahavita ny fandaharanasa nandraisany anjara tany Etazonia. Tamin’ny alalan’ny vatsim-piofanana Hubert H. Humphrey Fellowship, ny Fulbright Foreign Student Program, ary ny YALI Mandela Washington Fellow­ship, no nanamafisan’izy ireo ny fahaiza-mitarika, ny fanoloran-tena amin’ny fanompoam-piarahamonina ary ny fanomanana azy ireo ho mpitondra fanavaozana amin’ny sehatra samihafa. Nandrato momba ny fandraharahana, ny fanabeazana, ny raharaham-panjakana, ny fahaiza-mitantana sy ny maro hafa.

Tatiana A

Partager sur: