MESUPRES : Apetraka ny University Innovation Pod (UniPod)

Vita tamin’ity herinandro ity ny fanaovan-tsonia fifa­­na­raham-piaraha-miasa teo amin’ny minisitry ny Fampi­ana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chami­nah Loulla, sy ny solontena maharitry ny Pnud eto Mada­gasi­kara, i Edward Christow.
Fametrahana ny Univer­sity Innovation Pod (UniPod) no nifantohan’ny fiaraha-mi­asa. Tetikasa novolavolain’ny fitaleavana momba ny fikarohana sy ny haivao (DRI), ao anatin’ny fitaleavana ankapoben’ny fikarohana ara-tsiansa (DGRS) izy ity.
Hanana rafitra iaraha-mi­tantana amin’ny Mesupres, ny Pnud, ny Oniversite, ny ivontoeram-pikarohana ary ny so­lontenan’ny sehatra tsy mi­ankina izany.
Laboratoara 5 momba ny angovo azo havaozina, faharanitan-tsaina sy robotika, fi­findran’ny teknolojia, sakafo sy indostria agro-alimentaire no ho hita ao.
Toerana hampifandraisana ireo tanora, mpikaroka sy mpandraharaha ny Unipod, ahafahan’izy ireo mamolavola hevitra sy fikarohana mitondra vahaolana sy fanavaozana ary ny fampandrosoana ma­haritra mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena.
“Endrika velona amin’ny nofinofy ho an’ny fikarohana siantifika malagasy ary manome lanja ny tanora, ny famoronana, ny vahaolana ary ny fa­haleovantena ny sehatra toy izao”, hoy ny minisitra.

Tatiana A

Partager sur: