Seho niavaka: Mankalaza ny faha-15 taona niorenany ny CTP

Nosokafana tamin’ny fomba miavaka tao Antsahamanitra, ny alahady lasa teo, ny fankalazana ny faha-15 taona nio­rean’ny Chorale Trompetran’ny polisim-pirenena (CTP). Tonga maro nanotrona izany ireo mpino kristianina sady nanome voninahitra an’Andriamanitra, ka nahafeno hipoka ny kianja. Fahombiazana tanteraka, araka izany, ny hetsika, satria tsy vitan’ny nanaitra ny saina sy ny fo amam-panahy tamin’ny alalan’ny hira sy ny mozika mitory Filazantsara fa nampiray koa ny mpikambana sy ny mpanatrika rehetra. Nambaran’ny mpikarakara fa hitohy amin’ny taona 2026 ny fankalazana. Noho izany, maro ireo hetsika entina hanamarihana izany, ka ny volana septambra 2026 no hamaranana ny fankalazana. Tonga teny an-toerana nitsodrano ny CTP ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nanotrona izany koa ireo tomponandraikitra ambony avy ao amin’ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka (MSP), notarihin’ny Sekretera jeneralin’ny MSP, ny Contrôleur général de police, Randriambelo Mandimbin’Ny Aina.

Jean Claude

Partager sur: