Ao anaty fanadihadiana tanteraka ny BC mahakasika ny nahafatesan’ireo Sinoa mianadahy, hita faty tao anatin’ny toeram-pisakafoana Venus, etsy 67 Ha Atsimo, afakomaly. Hita faty nihohoka teo ambony fandriana moa izy ireo. Mbola tsy nisy ireo olona voasambotra sy voarohirohy tamin’io raharaha io.
Fokontany telo no nahitana trano nirehitra tany Mananjary, afakomaly. Anisan’izany ny tao Anosinakoho, Ankadirano ary Masindrano. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 9 ora latsaka fahatelony alina. Olona roa no fantatra fa may tamin’io trangana firehetana io. Efa mandray an-tanana ireo naratra sy traboina kosa ireo mpitondra fanjakana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Nahitana firehetana maromaro ihany koa teto Antananarivo, omaly. Anisan’ny nahitana izany ny tetsy Manakambahiny, ao amin’ny boriborintany faharoa, sy tetsy Ambatoroka, omaly hariva. Tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny loza fa efa niezaka nifehy ny afo ny mponina manodidina sy ny vondron’ny mpamonjy voina.
Misy lehilahy iray adaladala sy manaikitra olona eny Andrefambohitra Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano. Manaikitra sofin’olona, midaroka, mitoraka amin’ny biriky, mamono olona, mandroba izy io, raha ny fitantaran’ny olona. Mangataka ny handraisana fepetra mahakasika izany ny mponina.




