Manahirana be ihany ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’izao fotoana izao. Tena efa iainana sy tsy azo ialana izany. Nampimenomenona ny rehetra ny hatsiaka be narahina erika matevina, omaly. Izay nizitizity vao maraina aloha dia niaritra ny hirifiry hatrany anaty taolana. Tena hoe nivadika ankitsirano izany. Nitarika karazan’aretina avy hatrany ho an’ny olona tsy nahazaka, indrindra ny gripa sy ny sohika.
Tsy misangy ilay natiora amin’ny famaizana ny olombelona. Tsy afaka ny hilaza fa tsy tomponandraikitra ny tsirairay. Tsy vitan’ny tsy miaro fa mbola mandrava ny ankamaroany. Mandrora mintsilany ara-bakiteny. Aiza ka volana septambra mbola tsy mena-mivadika toa andro ririnina. Mihatsaravelatsihy ingahibemasoandro, manao tsidi-pahitra. Milako tampoka ny oran’andro, mampilomano amin’ny atoandrobenanahary.
Tsy hita soritra mazava intsony ny fizaran-taona. Mifangaro voraka, hany ka mampisangaojy ny fiarovan-tena ho an’ny tsirairay. Tsy hay intsony ny fomba fiaina tokony ho arahina. Tsy misy intsony izany aretina noho ny hatsiaka na aretin’ny andro mafana izany. Ny aza mba voany ihany! Fa mampipempopepo mihitsy vao tafatsangana, misy aza ny tsy tafavoaka velona mihitsy.
Inona no iresahana izany, mba samy hahamailomailo amin’ny valifatin’ny natiora amin’ny alalan’ny loza voajanahary samihafa. Marary kokoa, ary indroa mahita ny maizina toa tain’omby nasisika an-davaka anie, ilay sady marary no lany vola! Tsy moramora ny vidim-panafody, tsy natao ho an-jaza ny fidirana hopitaly. Lany fatotra amam-pondrana sy mifoifoy volo.
Tsy ampy intsony ilay hoe aleo misoroka toy izay mitsabo. Efa fotoan’ny fizakana ny vokatry ny fandravana tontolo iainana sy ny fanimbazimbana ny harena voajanahary daholo ny zava-misy, ankehitriny.
Efa mivadika tsikelikely ny rasa. Koa asakasak’izay mbola handrihandry manana aretina eo. Ny olombelona amin’izay no mahita ny tsy fahita amin’izao fotoana izao. Samia maka saina lalina!
r.r




