Tena tsy misy andro angamba eto Madagasikara mba hampitsahatra ny resabe politika. Nanaitra ny fahitana vaovao niely omaly, mahakasika ny Antenimierampirenena. Nahoraka ny filazana fa ho ravana ny Antenimierampirenena. Nalaza fa misy volabe amina miliara mihodinkodina any. Samy nivoy izay tiany ho voizina daholo ny olon-drehetra na ny tanora Gen Z izany, na ireto milaza azy ho “influenceurs” malaza maneran-tany. Ny sasany aza namoaka sorabola amin’ny “Euro” mihitsy.
Niaraha-nahita ireny, nipoitra tampoka teo ireo depiote miisa 80 nilaza ho komity miaro ny fanavaozana eny Tsimbazaza. Nanaitra anefa ny nahita izao mpanangana sy mpikambana ao aminy fa toa “komitin’ny forongony mpamadika”. Ireo izay nanohana mahafatra-po ny volomboasary ihany no lasa mpiara-dalana amin’ny be kintana sy ny be bokotra. Mivadibadika palitao tsy amin-kenatra eny avokoa ny mpanao politika. Lany fanahy.
Manoloana ny zava-drehetra miseho, namaly bontana ny filohan’ny Antenimierampirenena, fa tsy misy mitombona ny vaovao miely. Ho azy dia tokam-po sy mpanohana izao fitondrana izao ny tenany sy ny mpikambana ka tsy tokony ho kitikitihana. Tsy misy ny fikasana handrodana ny andrimpanjakana raha ny fijeriny azy. Milokaloka ho tsy mpamadika ny tolona izy, nanaporofony izany ny maha mpanongana voalohany an-dRajoelina Andry azy.
Ny tanora, ilay nilaza ho angady nanana sy vy nahitana ny tolona dia manamafy ny handravana ny andrimanjakana mpanao lalàna. Ampangain’izy ireo ho sakana tsy mba hahafahana miroso amin’ny tena fanavaozana. Zary fialokalofan’ny tia kely sy ny olon-dratsy. Malaza amin’ny kolikoly sy ny malety be, isaky ny mamay ny raharaha eto amin’ny tanàna.
r.r




