Wednesday Morning Group: Nivoaka ny andiany Kanto, nianatra zaitra sy rafia

Vehivavy 20 isa navoaka sy nahazo mari-pahaizana, omaly, tetsy Ambatoroka. Nanaraka ny fiofanana momba ny zaitra teo anivon’ny WMG izy ireo.

Navoaka tetsy Ambato­roka, omaly, ireo vehivavy 20 isa. Nandranto fiofanana mahakasika ny zaitra sy rafia teo anivon’ny Wed­nesday Morning Group (WMG) izy ireo. Nampitondraina ny anarana hoe: “Kanto” ity andi­any ity. Na­haritra telo volana ny faharetan’ny fiofanana, na­nomboka ny volana avrily. “Taorian’ny fianarana norantovina, efa mahay manjaitra akanjo, afaka manokatra toeram-piasana ho azy manokana, ary afaka miasa any amin’ny orinasa samihafa izy ireo “, hoy ny filohan’ny fi­kambanana WMG, Tsiranana Fiona. Tsa­pa fa betsaka ireo ve­hivavy tsy manana asa, tsy nandia sy tsy nahavita fianarana hatramin’ny farany. Misy le­soka goavana eo amin’ny ara-tsosialin’ireo vehivavy malagasy ankehitriny izany zava-misy izany. Nanokatra ny toeram-piasana momba ny zaitra ny WMG mba hanampiana ny ve­hivavy, indrindra ireo vehivavy sahirana. Tanjon’ny fi­kam­ba­na­na ny hampanana asa sy hampahaleo tena ireo vehivavy.

Noraisina ihany koa ny andiany Soa
Noraisina teny an-toerana ihany koa ireo vehivavy 15 isa, ao anatin’ny andiany ma­nara­ka, nampitondraina ny anarana hoe: “Soa”. Reny mpiahy azy ireo Andriantsitohaina Lalaina, tale mpitantana ny orinasa Groupe Media Andriantsitohaina. Hivoaka ny volana desambra hoavy izao izy ireo. Ankizy avy any amin’
ny kaominina Antombolo, di­sitrikan’Arivonimamo izy ireo. Manodidina ny 100 ireo vehivavy efa nivoaka teo ani­von’ ny fikambanana WMG hatramin’izay nijoroany. Mi­ompana betsaka amin’ny vehivavy sy ny adolantsento ny fikam­banana. Toy ny fizarana salaka azo sasana sy fanabe­azana ho olom-pirenena va­nona.

Mino

Partager sur: