Ao anatin’ny fiatrehana fifidianana loholona izao. Maneho ny fijeriny ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), anisan’ny mpiofana amin’ny fitantanana fifidianana, karakarain’ny Enam sy ny COI ary ny Ceni eny Androhibe, Andriamanana Nivoarivony: “Rehefa lasa ambony be ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, lasa tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy izay voafidy.” Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fifidianana loholona amin’izao?
Andriamanana Nivoarivony (-): Tapitra ny fe-potoam-piasana dimy taon’ny Antenimierandoholona. Lojika ny fifidianana amin’ny 11 desambra. Manaraka sy manaja ny voalazan’ny lalàna ny Ceni nanolotra izay datim-pifidianana izay. Efa naneho ny heviny ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny amin’ izany. Mpifidy vaventy no mifidy loholona. Nefa misy ny mpanao politika mimenomenona hoe tsy feno ireo mpifidy vaventy. Marina izay, nefa na ny teo aloha aza efa tsy feno koa. Tenenina ve izay hoe tsy fanarahan-dalàna?
Mifanindran-dalana amin’ ny fiofanana karakarain’ny Enam sy ny COI ary ny Ceni ho an’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana amin’ny tetikasa Fitantanana – Fandriampahalemana – Fahamarinan-toerana na ny “Gouvernance – Paix – Stabilité” (GPS) amin’ity herinandro ity izay. Hahazoana mijery trangan-javatra ny toy izany, tsy hisian’ny hoe tsy manara-dalàna. Mba mahatsapa sy mandray ny andraikiny avy ny mpisehatra amin’ny fifidianana… Hialana amin’ny tsy fandraisana andraikitra na fidongiana tsy handray anjara amin’ny fifidianana koa. Ny tokony hatao aza dia ny fitakiana ny fifidianana lehiben’ny Faritany sy ny lehiben’ny Faritra mba ho feno ny mpifidy vaventy amin’ ny fifidianana loholona manaraka. Tsy hadino ny fifidianana kaominaly amin’ny ampahany izay tokony haverina. Aiza ho aiza ny Ceni amin’ izay? Mba tsy hanana olana amin’ny toy izany koa ny fanjakana. Satria izay no fanjakana tan-dalàna sy maha firenena demokratika: manaraka sy manaja lalàna. Dingana hirosoana ho amin’ny tsaratsara kokoa amin’ny fanamafisana orina ny demokrasia eto Madagasikara…
* Ahoana ny amin’ny anto-bola 60 tapitrisa Ar amin’ny firotsahan-kofidina mampiaka-peo ny mpanao politika sasany?
– Tsy ny mpanao politika ihany… Misy miteny hoe maninona tamin’ny fifidianana depiote 20 tapitrisa Ar, fa amin’ ny fifidianana loholona 60 tapitrisa Ar? Ny voalazan’ny lalàna dia hoe fanontana biletàm-pifidianana no ilana io anto-bola io. Ny ambiny, tsy anjaran’ny kandidà ny mandoa azy. Na izany aza, mahita koa ny fiarahamonina sivily hoe lasa misy endrika fanilihana… Tsy mitovy ny fitantanana ny tsirairay raha mirotsa-kofidina. Ho an’ny vehivavy manokana, ohatra, efa nanahirana na tamin’ny fifidianana depiote aza. Manantena sy manentana izahay fa mba ho betsaka ny vehivavy handray anjara amin’ny fifidianana. Raha tsy misy vehivavy ny voafidy eo, mba hasiana vehivavy ireo tendrena ho loholona.

* Inona no tombondahy amin’ny fiofanana eny Androhibe?
– Mbola vao manomboka izao… Ny mahatsara azy, ahazoan’ny rehetra miara-mahita sy mahatsapa: ahoana marina ny lalàna mifehy ny fifidianana sy ny endri-pifidianana eto Madagasikara? Fifidianana tokony ho amin’ny fotoana raikitra tsy miovaova, ohatra. Eo koa ny zotram-pifidianana
iray manontolo. Hatramin’ny febroary 2026 no faran’ny fiofanana, arakaraka ny hevitra fototra iofanana. Fara faraharatsiny, mba misy vokatra tsara azo… Tsy misy fahagagana ny fikarakarana fifidianana, fa mba hisy, ohatra, ny fifampitokisana amin’ny fikirakirana izany.
* Be dia be ny lalàna sy ny karazana atrikasa na fampiofanana fa aiza ho aiza ny fampiharana?
– Izay no olana… Mbola ao anatin’ny adihevitra izao. Teo, tsy mitovy ny lalàna hitan’ny tsirairay. Amin’izao, aiza ho aiza ny fampitoviana tadin-dokanga ny amin’izay? Jerena ny zava-misy eto amin’ny firenena, ezahina amin’izay ny hoe: inona ny andraikitra tokony horaisana? Mampitabataba, ohatra, ny mpifidy vaventy tsy feno, tokony ho tonga saina ny rehetra: andao hiady mba ho feno izany amin’ ny manaraka. Tsy tokony hisy fifidianana izany raha tsy provensialy sy rezionaly.
* Aiza ho aiza ny tamberin’andraikitry ny kandidà amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina loholona hoe midangana be?
– Amin’ny lafiny iray, tsara; amin’ny lafiny iray, ratsy… Ireo izay voafidy eo, hamerina ny vola laniny tamin’ny fifidianana aloha raha vao tonga eo amin’ny toerany. Izay no olana amin’ny tsy famerana ny vola laniana. Eo koa ny anto-bola midangana be. Nefa tsy izay fotsiny ny famoaham-bolan’ny kandidà. Mbola hanao fampielezan-kevitra izy ireo. Nefa Faritany ny fari-pifidianana fa tsy distrika toy ny tamin’ny fifidianana depiote. Mazamazana ihany… Manana izay heveriny koa ireo mpifidy vaventy amin’ izany. Anjaran’ny kandidà ny mandresy lahatra.
Ny mahatsara ny anto-bola midangana be, tsy ny rehetra kosa no tokony hirotsa-kofidina. Raha atao ambany be io, miverina toy ny fifidianana filohan’ny Repoblika tamin’ny 2013: 40 mahery ny kandidà. Mba mila misy fifantenana ny kandidà… Na izany aza, ambony loatra ny 60 tapitrisa Ar ho an’ny vehivavy. Rehefa lasa ambony be ny anto-bola amin’ny firotsahan-kofidina, lasa tsy manana tamberin’andraikitra amin’izay nifidy azy izay voafidy. Mieritreritra izay hamerenana ny vola laniny… Sao lasa zavatra hafa no mandeha aloha? Izay no maharatsy azy. Aty amin’ ny tany an-dalam-pandrosoana isika, mety vidian-dafo ny mpifidy vaventy.
* Ahoana ny firafitry ny Antenimierandoholona saika nahena hatrany ny isan’ny mpikambana?
– Misy lafiratsy izay… Lasa tsy misy intsony ny fisoloan-tena, na hoe loholona iray isam-paritra aza. Lasa misy Malagasy tsy voasolo tena eo anivon’ny Antenimierandoholona. Loholona roa isaky ny Faritany no fidina. Nefa misy Faritra maromaro ao anatin’ny Faritany iray. Misy Faritra tsy voasolo tena izany. Fara farakeliny, mba iray isaky ny Faritra no hofidina.
Nangonin’i R. Nd.




