Homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza : Nahazo fatram-baksiny 547 070 i Madagasikara

Anisan’ny fisorohana mahomby amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza mpahazo ny vehivavy ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny HPV. Efa tonga eto amintsika ny fatram-baksiny hiarovana ny zatovovavy amin’ny hetsika fanaovam-baksiny nasionaly.

Nahazo ny anjara vaksiny iarovana amin’ny HPV (Papillomavirus humain), mitarika ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza eo amin’ny vehivavy, i Madagasikara. Avy amin’ny fanohanan’ny Unicef sy ny Gavi ary ny The Vaccine Alliance no nahazoana izany, araka ny fanazavana azo. Natolotra ny fitaleavana misahana ny fandaharanasa momba ny fanaovam-baksiny (DPEV) ny fatra mahatratra 547 070.
2,2 tapitrisa ny fatra andrasana eto amintsika ao anatin’ny herinandro maromaro ho avy. Ahafahana miaro ny zatovovavy sy manamafy ny ady amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza ny fahatongavan’ny vaksiny eto amintsika. Anisan’ny antony mitarika fahafatesana betsaka eto amintsika mantsy io aretina io.
Nanambara ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa hisy hetsika fanaovam-baksiny manerana ny Nosy, ny 14 ka hatramin’ny 18 oktobra ho avy izao. “Natokana ho an’ny zatovovavy 9 taona ka hatramin’ny 14 taona ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza. Tokony hatao mialoha ny fidiran’ny zatovovavy amin’ny firaisana ara-nofo voalohany ny vaksiny fiarovana”, hoy ny mpitsabo.
Azo antoka, mahomby, ary misoroka io areti-mandoza io hatramin’ny 90% ny vaksiny iadiana amin’ny HPV, araka ny fanamarihan’ny Sampan­draharahan’ny Firenena mi­kambana momba ny fahasalamana (OMS).
Eto Madagasikara, homamiadan’ny nono sy ny vozon’ny tranonjaza ny 50% ny homamiadana raisina an-tanana ao amin’ny HJRA, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ireo vehivavy 40 ka hatramin’ny 59 taona no tena tratrany, raha ny tranga tonga eny amin’ny sampam-pitsaboana ny homamiadana ao amin’ny HJRA.

Vonjy

Partager sur: