Nipitika niala ny kodiarana alohan’ny fiarabe iray tetsy Ankadifotsy, omaly maraina. Teny am-pandehanana no nipitika tampoka izy io ka tsy afa-nihetsika ny fiara. Niteraka fitohanana lavareny teny an-toerana ny zava-nisy. Tsy nisy ny naratra, olana ara-mekanika no heverina ho antony nampitsoaka ny kodiarana. Ilaina hatrany ny fahamailoana sy fikojakojana ny fiara alohan’ny handehanana.
Nitrangana doro tanety indray tany Ambararatakely Maintirano, faritra Melaky, afakomaly hariva, tamin’ny 4 ora. Nahazo ny toeram-pambolena zana-kazo an’ny Dredd Melaky ny afo. Tonga nanampy ny fokonolona sy ireo mpiasan’ny Dredd ny Polisim-pirenena avy ao amin’ny Hery vonjy taitra (FIP) any an-toerana. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 6 ora sy 20 minitra hariva.
Jiolahy iray maty voatifitry ny polisim-pirenena nandritra ny halatra miharo herisetra nataony tany Betafo, ny alin’ny 15 septambra 2025 lasa teo. Nanafika trano iray teo amoron’ny farihy Tatamarina, Betafo, ireo andian-jiolahy. Naratra vokatry ny vono nahazo azy ny tompon-trano. Tonga teny an-toerana ny polisy taorian’ny antso ka mbola tratra teny amin’ny manodidina ny iray tamin’ireo jiolahy ka lavo voatifitra.
Nifampikasoka tamin’ny fiara fitateram-bahoaka Crafter izay nifanena taminy ny fiara Mercedes Fourgon iray afakomaly alina tamin’ny 12 ora latsaka. Nitranga tamin’iny RN7 iny, PK 64 + 600, Miadana, fokontany Miadamanjaka, kaominina ambanivohitra Manjakatompo, distrikan’Ambatolampy ny loza. Nifatratra nahazo ny sisin-dalana teo ankavanany ilay fiara fitateram-bahoaka. Tsy nisy ny naratra sy ainy nafoy tamin’izany.




