INDRAY MIJERY

Hetsika ara-panatanjahantena karakarain’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana ny Koloaina. Tanjona ny hametrahana aro loza sy tandrim-pahasalamana ho an’ny mpiasa. Eo koa ny hampiroboroboana ny fanatanjahantena mba hanamafisana ny firaisankinan’ny mpiara-miasa anatin’ny tontolo milamina sy mirindra.

Mampahatsiahy hatrany ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana ary ny fampananan’asa ny amin’ny fahamailoana ho an’ireo karazana tolotrasa any ivelany mitobaka eny amin’ny tambajotra sosialy. Maro ny fisolokiana ka ireo tolotra ao amin’ny minisitera ihany no tena azo antoka sy ara-dalàna.

Mandray an-tanana ireo traboina mila fitsaboana ireo ekipan’ny fahasalamana any Mananjary. Olona 127 no efa noraisina an-tanana tamin’ireo toerana telo, dia ny ao amin’ny fokontany Anosinakoho, Ankadirano ary Masindrano.

Partager sur: