Maro dia maro ny trangam-piarahamonina miseholany etsy sy eroa. Mahazo vahana ny ratsy, mihabetsaka ny matimaty fahatany sy mamoy ny ainy tsy lera kanefa tsy manan-tsiny. Mirongatra ny fialonana sy ny fitiavan-karena diso tafahoatra. Mibitsika tsy manam-piafarana ny devolin’ny haratsiam-panahy. Tsy mahagaga raha mijininika amin’ny fomba samihafa ny ra. Tena mahakivy indraindray.
Averimberina foana anefa fa ny miabo ihany no miantso miabo. Ny tsara ihany no misarika ny tsara. Tsy hay, araka izany, ny tsy hifanentana. Aleo manao fifampizarana mahafinaritra sy mahasoa. Aleo mahay miaina arakaraka ny filan’ny vatantsika sy ny takin’ny ankohonantsika. Maninona no handeha hifanimba kanefa afaka ny ifanohana sy ifampisintona miakatra. Ny firaisankiana no hery. Ny mitabe rahateo no tsy lanin’ny mamba. Ny mpianakavy mitambatra sy ny mpiara-monina miray fo amam-panahy no be izay basy…
Ankoatra ireo, ny isam-batan’olona ihany no afaka mampivelatra ny maha izy azy ka afaka mandresy ny ratsy. Izy samirery no tompon’ny teny farany amin’ny mahasoa na maharatsy azy. Izy no manaiky na tsia ny ho ataon’ny fanahy ratsy fitaovana. Tsy misy masi-mandidy amin’ny fiainan’ny tsirairay afa-tsy izy irery. Mila fandinihan-tena sy fahasahiana maka fanapahan-kevitra goavana izany. Izay rahateo ilay hoe fahaiza-miaina.
Zava-dehibe ny fanomezana fahasambarana ny tena. Safidy ny hijaly, na ho sambatra. Tsy miankina amin’ny hafa izany. Rehefa ny fanahy anaty maha olona antsika no milamina sy mipetrapetraka dia misosasosa ny zava-drehetra. Mahaiza mifantoka amin’izay atao ka hita fa tsara ary mahaiza mankafy ny fiainantsika. Aza mba mitsiriritra ny hafa izany!
r.r




