Tanora miisa 930 nahavita fiofanana momba ny zaitra no notolorana mari-pankasitrahana, omaly, tetsy amin’ny Sesam Ambatoroka, izay notarihin’ny minisitry ny Fampianaranateknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.
Tanora 230 avy amin’ny andiany voalohany, nahazo fiofanana avy amin’ny Academy of Design and Innovation. Tanora 700 vao hiditra amin’ny tontolon’ny asa. Tanjona ny hanamafisana ny sehatra momba ny zaitra (textile, habillement et accessoires THA) sy hanomezana fiofanana mifanaraka amin’ny tinady.
Noho ny tsy fisian’ny oniversite manokana mitsinjo ny sehatra THA, nisy ny famolavolana “référentiels métiers” miisa 10, toy ny Technicien de production, Patronnier gradeur, Merchandiser, Teinturier, Chimiste textile, Designer.
Tanjona ny hanome ny tanora malagasy fahaiza-manao avo lenta, hanamora ny fidirany amin’ny asa ary hanampy amin’ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra.
Fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny Socota, vatsian’ny FMFP vola no nahafahana nampiofana ireo tanora.
Tatiana A




