Toy ny fanaony isan-taona, nankasitraka ireo mpianatra mendrika indrindra tamin’ny fanadinana CEPE teto amin’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo Renivohitra ny Kaominina Antananarivo (CUA) sy ny Yas Madagasikara. Notanterahina ny alarobia lasa teo izany, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely. Nisitraka izany ireo ankizy 100 mianadahy avy amin’ny EPP ao anatin’ny boriborintany enina eto an-drenivohitra. 19, 8 / 20 ny salanisa ambony indrindra azon’ny mpianatra, avy amin’ny EPP Tanjombe, ao amin’ny boriborintany fahenina. 9 taona ny zandriny indrindra, raha 12 taona ny zokiny. Nahazo Casquette sy kojakojam-pianarana avy amin’ ny mpanohana izy ireo ary kitapo avy amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Nanolotra izany ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, izay nampirisika ireo ankizy hanohy hatrany ny fianarana ary hanaja ireo ray aman-dreny. Nentina nitsidika ny birao fiasany sy ny Lapan’ny Tanàna. Nitaingina téléphérique kosa ny alakamisy ka niantoka azy ireo ny CUA. Nisaotra ireo tomponandraikitra ny solontenan’ny ray aman-dreny.
Tatiana




