Fanapotehana fotodrafitrasa tao Ste Marie : Voaheloka sazy mihantona 5 taona ny Sinoa iray sy Malagasy iray

Taorian’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso ny 19 aogositra teo, tao amin’ny Sampam-pitsarana ambaratonga voalohany Ste Marie, ny faha-9 septambra teo vao nivoaka ny didy momban’ireo teratany Sinoa roa lahy sy Malagasy dimy.

Nosamborina noho ny fa­nimbana fotodrafitrasa izay vao notokanan’ny Filohan’ny Repoblika ny  tapaky ny volana jolay lasa teo, izy ireo. Vokany, raha ny didim-pitsarana nivoaka, voaheloka sa­zy mihantona 5 taona ny teratany Sinoa iray sy Malagasy iray, raha nohafahana noho ny fisalasalana kosa ny teratany Sinoa iray sy Malagasy 3. Nohafahana ma­diodio kosa ny ambiny. Etsy andaniny, nampametra-panontaniana ny ma­ro ny fahatrarana ambodiomby fanimbana fotodrafitrasa naorin’ny fitondrana sy ny fametavetana ny mpitondra fanjakana ao an-toerana nataon’ireto Sinoa ireto kanefa dia mbola natao sazy mihantona sy nohafahana ihany ny iray.
Raha hiverenana ny tranga, ny 27 jolay teo no nanamboatra fampidirana rano amin’ny trano lehibe izay haoriny ilay Sinoa mpandraharaha ka tsy nisalasala nandavaka godorao vao vita hampidirany fantsona mitondra rano any amin’ny fotodrafitrasa haoriny. Tsy nangataka alalana tamin’ny kaominina sy ny prefet izy nanao izany fanampahan-keviny izany. Vokany, nosamborina izy ireo ny 28  joaly, natao famotorana teo anivon’ny polisim-pirenena ary natolotra ny fampanovana ny 30 jolay. Naiditra vonjimaika am-ponja taorian’ny famotorana teo anivon’ny fampanoavana, ka ny 19 aogositra ny fotoam-pitsarana ampahimbemaso ary ny 9 septambra teo vao nivoaka ny didy.

Sajo

Partager sur: