Hotanterahina ny alarobia 24 septambra izao, ny fifandraisan-tanana eo amin’ny Mpitandrina Andrianarivo Solondraibe mianakavy sy ny fiangonana FJKM Ambavahaditokana Fanilon’i Kristy. « … Satria irak’i Jehovah, tompon’ny maro, izy », Malakia 2: 7. Io ny teny faneva nosafidiana ho amin’izany fotoan-dehibe izany. Ny Synodam-paritany Antananarivo Andrefana (SPAA10) no mitarika ny fotoana rehetra mandritra io fotoana io, izay iarahany amin’ny fiangonana rehetra ao aminy, ny fiangonana manodidina, ny FFKM ary ny mpitondra fanjakana eny an-toerana.
Ny alahady 28 septambra kosa, anjaran’ny fiangonana sy ny zanaka am-pielezana ny manao ny fandraisan-tanana ny Mpitandrina mianakavy. Madritra izany, hisy ny nofon-kena mitam-pihavanana ho fanamarihana ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta. Marihina fa hisy marika manokana hanamarihana io fotoan-dehibe io ka ny komity 36 mianadahy no manao ny fandrindrana rehetra eo ambany fitantanan’ny Fanahy masina.
Andry F.




