INDRAY MIJERY

Manoloana ny voina niseho tany Mananjary, misy ireo malala-tanana tonga nanolotra fanampiana eny amin’ ny BNGRC izay mitantana ny fitsinjarana ireo fanam­piana araka ny tokony ho izy. Nisy ny fikambanana tanora nanolo-tanana nanome lelavola. Ao koa ny olon-tsotra manolotra vary 5 gony…

Notanterahina tao amin’ny BAEC Ankadivato ny atrikasa fanavaozana ny antontan-taratasy loharano pedagojika ho an’ny taranja Éducation à l’entrepre­neuriat. Nanotrona izany ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline. Sehatra manan-danja amin’ny fampandrosoana ny fampianarana ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny sehatry ny fandraharahana.

Mifanohana ireo mpiasan’ny fahasalamana. Nisy ny tsipaipaika ataon’ny SPSM manerana ny Nosy ha­nampiana ny naman’izy ireo niharam-boina tany Manan­jary nandritra ny firehetana nandrava tanàna. Vola mitentina 1 300000 Ar no natolotra ireo namany traboina.

Partager sur: