Levon’ny afo ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Ambalavola, Antsiranana, omaly. Nifamonjen’ ny fokonolona sy ny mpamonjy voina novonoina ny afo saingy kila avokoa ireo entana tao an-trano.
Mitohy ny fikarohana ireo zaza roa lahy tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy 15 septambra teo, tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina Satrokala, distrikan’Ihosy. Miantso ny fitondram-panjakana sy ny mpitandro filaminana hanao izay ho afany ahitana ireo zanany ny ray aman-drenin’ny lasibatra.
Zazavavy very naterin’ny tsara sitrapo tao amin’ ny biraon’ny zandary teny Ampitatafika, omaly. Nilaza ho avy any Ambohibary Arivonimamo io zaza io saingy tsy hitany ny fianakaviany. Nanao fampahafantarana tamin’ ny tambajotran-tserasera avy hatrany ny zandary.
Olona iray maty ary fito naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny RN4, tao amin’ny fokontany Ambodimanga/Betsiboka, kaominina Maevatanàna faharoa, ny marain’ny alakamisy 18 septambra teo. Nentina namonjy toeram-pitsaboana ireo naratra.




