Nomena fahalalana feno ahafahany mamolavola vinam-piainana araka ny nofinofiny ny zatovovavy 100 niala an-daharana tao Vondrozo nefa vonona hihoitra amin’ny fiainana. Maro ireo mbola maniry ny hiverina an-tsekoly indray hanana hoavy metimety kokoa sy hahaleo tena.
Nifarimbona ny minisitera enina: ny Fanabeazam-pirenena, ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Rano, fanadiovana sy fidiovana, ny Fahasalamam-bahoaka ary ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina miaraka amin’ny Unicef nanome sehatra ny zatovovavy hahazoany traikefa sy fahalalana hivoarany amin’ny fiainana. Ireo zatovovavy 100 niala an-daharana tany an-tsekoly ka tsy nianatra intsony, tao anatin’ny roa taona, sy ireo tsy nandia sekoly mihitsy no nandray anjara tamin’ny atrikasa ho an’ny roa andro voalohany. Nozaraina sehatra efatra ny dingana handalovan’ny vondron’ny zatovovavy 25 isanisany. Sehatra voalohany ny fihaonana amin’ny vehivavy mahomby fakan-tahaka, hitari-dalana azy ireo hahafahany manonofy. Dingana faharoa ny fampianarana azy ireo hampiasa ny zava-misy eo an-toerana. “Fanamboarana savony sy fanadiovana rano azo ampiasaina amin’ny fidiovana no natao”, hoy ny mpampiofana ao amin’ny INFP Mahamasina, Andriantenaina Voahary Sitraka. Tanjona ny hisarihana ny ankizivavy na tsy mianatra
intsony aza hanao siansa ary hamadika ny fiofanana azo ho loharanom-bola.
Niroso amin’ny dingana fizarana fahalalana momba ny fandraharahana sy ny fahaiza-mitarika ireo zatovoavy avy eo, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Ampahafantarina fa mety ho mpandraharaha izy ireo miainga amin’ ny zavatra iainany andavanandro. Nampiasa ny « Metaplan » ny mpampiofana hampitana ny hevi-dehibe.
Ilaina ny fitarihan-dalana
Anisan’ny antony mampiala an-daharana ny ankizy ny tsy fisian’ny fitarihan-dalana eo amin’ny fianarany. Nandray ny zatovovavy hahalala ny tenany sy ny zavatra tiany ary ny lalam-piofanana harahina araka ny tanjony ny mpiasa avy ao amin’ny sampana fitarihan-dalana an-tsekoly sy arakasa. “Manangana vinam-piainany izy ireo ary tokony ho afaka hanatontosa izany rehefa avy namantatra ny tenany”, hoy ny Chef de division études et conception, Ramiarimanana Netisoa.
Rehefa nahazo fahalalana momba ny fahaizany sy namaritra vinam-piainana ireo zatovovavy dia nampianarina momba ny fahadiovana sy ny fadimbolana niaraka amin’ny kilalao Ika’lio. Mameno ireo ny fizarana ny fahaizana miaro tena manoloana ny karazana herisetra misy sy ny toerana azony atonina. Ny tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Tanora no nanentana momba izay.
Zava-dehibe ny fisorohana ny vohoka aloha loatra na tsy niriana izay manimba ny vinam-piainan’ny zatovovavy ka nentanina izy ireo hanemotra ny fotoana hirosoana amin’ny firaisana ara-nofo ary nampahafantarina ny fomba fiarovana amin’ny vohoka.




