Namoaka fiantsoana malalaka ho an’ireo maniry handrafitra ny orinasa hitantana ny fotodrafitrasam-pitaterana vaovao teleferika ny fanjakana malagasy. Voakasik’izany ny lafiny fitantanana, ny fandrindrana teknika ary ny fampiroboroboana ny lafiny ara-barotra.
Misokatra hatramin’ny alatsinainy 04 oktobra ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ireo olona rehetra liana amin’ izany ary misy ny fepetra takina hahalavorary ny asa ampandraiketina.
Efa tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra fa mipetraka ny orinasa hitantana sy hampihodina ny teleferika, fotodrafitrasa vaovao sy maoderina entina hanomezana ainga vao ny fitaterana sy fifamezivezena an-tanàn-dehibe eto Antananarivo.
Mifanaraka amin’ny sokajin’asa ny diplaoma sy ny traikefa takina ka mila miomana amin’izany ireo maniry handrafitra ny ekipa. Ao ny tale hiandraikitra ny fitantanana, ny tomponandraikitry ny fikojakojana ara-teknika, ny tomponandraikitra mitantana ny vola…
Tatiana A




