Ankoatra ny sokatra an-tanety, mampiavaka an’i Madagasikara ihany koa ny fananany Soka-dranomasina na Fano. Misy ny tetikasa Aro Fano hiarovana azy ireny.
Tsy misy afa-tsy 8 ny karazan-tsokatra an-dranomasina maneran-tany. Hita eto amintsika daholo ny 5 amin’izy ireo, dia ny sokatra voaravaka (Eretmochelys imbricata), ny sokatra maitso (Chelonia mydas), ny sokatra lohataona (Caretta caretta), ny sokatra oliva (Lepidochelys olivacea) ary ny sokatra goavam-be (Dermochelys coriacea). Any amin’ny fari-dranomasina amin’ny tapany andrefana sy avaratra andrefan’i Madagasikara no tena ahitana ireo karazana fano ireo. Ankoatra izay, any amin’iny toerana iny koa no ahitana ahi-dranomasina be indrindra eto amintsika, ahitana karazany 12.
Voamarina fa mihena ny isan’izy ireo, noho ny asan’ny olombelona, toy ny fihazana tafahoatra na tsy ara-dalàna, ny fandotoana ny ranomasina, ny fanimbana ny toeram-ponenany anaty ranomasina na fanatodizany eny amorontsiraka ary koa ny fiovan’ny toetr’andro.
Manoloana ireo, atao ny paikady hiarovana sy hitantanana maharitra ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina, amin’ny alalan’ny tetikasa Aro Fano, na Fiarovana mirindra ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina any amin’ny faritra avaratra sy avaratra andrefan’i Madagasikara. Ny karazana fano roa, ny sokatra maitso (Chelonia mydas) sy ny sokatra voaravaka (Eretmochelys imbricata) no tena hifantohan’ny tetikasa.
Manatanteraka azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), miara-miasa amin’ny Fandaharanasa momba ny tontolo iainana ao amin’ny Firenena mikambana (Pnue/ Unep).
Fari-dranomasina
209 000 ha harovana
Haharitra dimy taona ny tetikasa. Vokatra andrasana ny hampitomboana ny isan’ny soka-dranomasina any amin’ny toerana miisa enina nofaritana. Mirefy 209 000 ha ny velarana ranomasina harovana amin’ny alalan’ny Tambajotra LMMA, hiarovana ny fano sy ny ahi-dranomasina. Hampitomboina hatrany amin’ny 60% ny fahafahan’ny tomponandraikitry ny fanaraha-maso sy ny fiarovana, ahitana ny mpitandro filaminana, ny mpanadihadin’ny Medd, ny zandarimaria, ny polisy, ny rafi-pitsarana, hisahana ny ady heloka mahakasika ny soka-dranomasina sy ny zavamananaina an-dranomasina samihafa. Mahatratra 1 000 ha ny velarana ho fiarovana ny ala honko sy ny ahi-dranomasina amin’ny alalan’ny tetikasa Blue Carbone na Karbôna Manga.
Mizara efatra ny asa hatao. Voalohany, ny fanatsarana sy fanamafisana ny lafiny lalàna sy ny rafi-panjakana momba ny fitantanana matotra ny fano sy ny toerana ahitana ny ahi-dranomasina. Ao anatin’izany ny famolavolana ny lalàna sy ny fepetra miompana amin’ny fiarovana azy ireo, andraisan’ny mpisehatra rehetra anjara. Ny famerenana ny asan’ny Vaomieran’ny jono sy ny tontolo iainana (CPE). Ny fanatanterahana ny fandaharanasa nasionaly hanaraha-maso ny soka-dranomasina sy ny ahi-dranomasina, ankatoavin’ny minisitera Medd.

Vondron’olona sy sehatra tsy miankina
Faharoa, ny fitantanana mahomby, hametrahana ny tambajotra LMMA anankiroa any Analalava sy Tanjon’i Bobaomby (Antsiranana). Hisy fanofanana ny tomponandraikitry ny faritra arovana an-dranomasina (AMP) any Ankarea sy Ankivonjy sy ny Valanjavaboahary an-dranomasina any Nosy Hara sy Sahamalaza. Ho hamafisina ny fahaiza-manaon’ny tomponandraikitra amin’ny fampiharana ny lalàna mahakasika ny heloka ara-tontolo iainana.
Fahatelo, fanentanana ny vondrona olona sy ny sehatra tsy miankina. Hampiroboroboana ny tetikasa « Karbôna manga», hiarovana ny ahi-dranomasina sy ny ala honko. Hisy ny tetikasa filamatra hanatsarana ny velon-tenan’ny mponina eny ifotony, mba tsy hikasihana intsony ireo zavamananaina arovana ireo. Hojerena ny fomba fiasa tsara sy mahomby sady maharitra ho an’ny mpandraharaha tsy miankina. Ary fahefatra ny lafiny fanaraha-maso sy ny fanombanana ny asa atao rehetra.
Nanatontosa :
Njaka Andriantefiarinesy




