Raha efa voalahatra ho amin’ny faha-29 aogositra ho avy izao, ny hanatanterahana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zokiny “senior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja handball, dia nisy fiovana izany. Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, nahemotra ho amin’ny 31 aogositra ka hatramin’ny 9 septambra ho avy izao indray izany. Tsy misy fiovana ny toerana fa hatao eto amin’ny ligim-paritra Analamanga ihany. Ao amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fanombohana ny andron’ny 31 aogositra ary eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina kosa ny fifanintsanana 1 – 9 septambra 2026.
Dingan’ny fifanintsanana ny 31 aogositra ka hatramin’ny 7 septambra ary ny dingana famaranana ny 8 sy 9 septambra, ho avy. Hanana ny lanjany lehibe ity fifaninanam-pirenena ity, satria hisolo tena an’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina ho an’ny ekipa tompon’ny amboara na ny CCCOI, izay tompondaka eo amin’ny lehilahy sy vehivavy. Tsiahivina fa tsy tontosa hatramin’ny farany ny CCCOI 2025, notanterahina tany Toamasina noho ny rivodoza Gezani. Andrasana indray izay hampiantrano izany fifaninanana hiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, izany amin’ity.
Tompondaka




